Notoloran’ny masoivohon’i Torkia fiara 4x4 vaovao marika Huyndai ny Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga.
Natao ny faran’ny herinandro teo ny fanolorana ny fitaovana. Tonga tany an-toerana nanatanteraka izany ny ambasadaoro Vural Volkan Turk. Ho fananan'ny Kaominina madiodio ny fiara saingy entin'ny Ben'ny tanàna Andriatomanga Mokhtar Salim manao ny asany. Voalaza moa fa ireo renivohi-paritany rehetra manerana ny nosy dia samy hahazo fanampiana avy amin-dry zareo Tiorka. Mazava izany ny resaka eto fa nisafidy ny hanampy ny Ben’ny tanàna aloha ry zareo Tiorka toy izay ny Vahoaka, izay misedra olana ara-tsosialy, eny fa na ny amin’ireo tanàn-dehibe samihafa eto amin’ny nosy aza.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.