Politique

Ambasadaoron’i Torkia Handao tanteraka an’i Madagasikara


  • Talata 07 Novambra 2017

Handao tanteraka an’i Madagasikara rehefa nahavita iraka diplaomatika nandritra ny 3 taona teto amintsika ny Ambasadaoron’i Torkia nonina sy niasa teto amin’ny nosy,

 

 SEM Volkan Türk Vural, ka tonga nanao veloma ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy, teny amin’ny toeram-piasany teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza omaly alatsinainy 06 novambra 2017. Toy ireo rehetra efa nisotro ny ranon’i Manangareza dia nanambara ity ambasadaoro ity fa mandra-pihaona ihany izao nataony izao fa tsy fanaovam-beloma tsy akory ary dia nambarany ihany koa fa afa-po tamin’ny niasany teto Madagasikara izy.

Ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Malagasy koa notronin’ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny birao maharitr’ity rafi-panjakana ity sy ny SG an’ny Antenimieram-pirenena dia  naneho ny fahafaham-pony tamin’ny iraka namirapiratra nataon’ity ambasadaoro ity teto Madagasikara.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT