Nosoloina ny ambasadaoron’i Maraoka eto Madagasikara, Mohammed Amar.
Nisy ny hamehana tamin’ny fanoloana ny ambasadaoro, raha tarafina amin’ny voalazan’ireo gazety samihafa mivoaka any Maraoka. Taterin’izy ireo fa nandefa iraka maika nanao fanadihadiana tao amin’ny masoivohon’i Maraoka teto Madagasikara ny minisiteran’ny raharaham-bahiny maraokanina ny alatsinainy lasa iny. Raha ny voalazan’ireo gazety ireo dia nisy fanodinkodinam-bola tokony hanaovana asa sosialy miantefa amin’ny vahoaka Malagasy tsikaritra tao. Mitsabatsabaka loatra amin’ny raharaha anatin’ny firenena Malagasy ihany koa ity ambasadaoro nosoloina ity, izay toetra sy fihetsika mifanohitra amin’ny tokony hataon’ny diplaomaty. Mohammed Amar moa no zokiolona amin’ireo diplaomaty teto, noho izy ela niasana efa ho folo taona teto Madagasikara. Misy ihany koa toetra tsy mendrika, manavakavaka ny tsy silamo, tsy manaja ny fahasamihafana sy ny ara-pinoana fihetsika sy toetra izay mifanohitra amin’ny fisokafana sy ny fandeferana voizin’ny Mpanjakan’i Maraoka Mohammed VI. I Mohamed Benjilani no masoivohon’i Maraoka nasolo an’i Mohammed Amar. Tao anatin’izao fitsidihan’ny Mpanjakan’i Maraoka Mohammed VI eto Madagasikara izao no nanolotra tamin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, teny Iavoloha, ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoron’i Maraoka i Mohamed Benjilani. Ity farany no ambasadaoro maraokanina faharoa miasa sy monina eto Madagasikara.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.