Politique

Ambasadaoron’i Frantsa Mitety andrim-panjakana


  • Zoma 23 Desambra 2011

Mitety andrim-panjakana ny Ambasadaoron’i Frantsa, Atoa Jean Marc Chataigner.

 Taorian’ny kongresin’ny tetezamita dia tetsy Anosikely nihaona tamin’ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny jeneraly Rasolosoa Dolin izy omaly. Ny fanatevenana ny fiaraha-miasa eo amin’i Frantsa sy Madagasikara, ho fanatsarana ny asan’ny Parlemantan’ny tetezamita no voalaza fa nifantohan’ny dinika. Voaresaka tamin’izany ny asa fanaraha-maso ataon’ny Parlemanta roa tonta asan’ny Governemanta, mandritra izao tetezamita izao, mba hisian’ny demokrasia satria ny Parlemantera no manao tatitra any amin’ny vahoaka. Hisy koa ny fanatsarana ny lafiny serasera. Hisy, araka izany, ny fampitaovana homen’ny Frantsay, toy ny fananganana site-web, ny fametahana “écran géant” amin’ireo trano fivoriambe, harahina fiofanana mahakasika io lafiny io mba hahatomombana ny lafiny serasera eny anivon’ireo Parlemanta roa tonta ireo.

Eo amin’ny lafiny politika kosa indray dia vonona ny Frantsay hanampy an’i Madagasikara, amin’ny firosoana amin’ny famahana ny krizy, ka hitondra ny anjara birikiny, indrindra amin’ny fanatanterahana ireo ambaratongam-pifidianana samihafa hatao eto Madagasikara amin’iny taona 2012 iny. Ny filohan’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ny jeneraly Rasolosoa Dolin kosa dia nanoritsoritra ireo dingana vitan’ny Malagasy, amin’ny fampiharana ny tondrozotra, toy fankatoavana izany ho lalàna teo anivon’ireo Parlemanta roa tonta ; teo koa ny fanitarana ireo Andrimpanjakana mpanao lalàna (CST, CT). Mila fitoniana ara-politika ny Malagasy, hoy ihany Rasolosoa Dolin, satria samy tia tanindrazana avokoa ny Malagasy rehetra.

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT