Hiverina amin’ny asa nahafantarana azy hatramin’izay i Kohen Rivolala manomboka anio talata, taorian’ny nivoahany ny fonja.
Tsy misy ifandraisany tamin’ny voloko notapahin’ny mpitandro ny filaminana izany satria ilay hery ara-panahy ato amiko no mibaiko sy mitondra ny asako, hoy izy. Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany omaly nanambara ny tena zava-nisy niainany marina. Novakiany bantsilana fa tsy olo-meloka izy matoa navotsotry ny fitsarana ary averina aminy avokoa ny fananany rehetra nogiazana. Ny fanjakana aza no tokony hiantso ahy hanasitrana ny ambalavelona nahazo ireo tovovavy kely tany Miandrivazo nefa ny nanapotika ahy indray no nataony. Na izany aza anefa, olona mpanara-dalàna aho ka nanaiky izay nampiharina tamiko, antony tsy nampiasako ny hery nahafahantarana ahy dia ny ctic ctac cdou. Ny resaka figadrana ihany koa dia efa tambavinay nolovaina tamin’ireo raiamandrenibe tany aloha toa an’i Abrahama, David, Daniela … Nahita loza ny fanjakana vokatry ny fanenjehana mpaminany toa ahy sy ny fivavahana. Ampahany amin’ireny ny fianjeran’ny governemanta Ravelonarivo sy ny fitohizan’ny raharaham-pirenena mankany amin’ny ratsy hatrany, hoy izy. Nomarihiny manokana moa fa mompera iray no nanao iny ambalavelona tao Miandrivazo iny noho ny fampiasany vovo-paty sy taolam-paty ary ny talisman sy ny moara. Vao mainka nitombo 80 isa ireo lasibatra taorian’ny nidirako teny am-ponja izay mbola manaporofo ihany koa fa tsy avy amiko ilay aretina. Na izany aza, nanamarika izy fa efa nanao sorona ny sabotsy teo ho fangatahana famelan-keloka tamin’Andriamanitra hamongorana ity areti-mandoza iray ity. Enim-bolana sy tapany moa raha tsiahivina no nigadran’i Kohen Rivolala tany am-ponja. Fonja miisa telo no noteteziny nandritra izany ka ny fitsarana tao Toliara no namotsotra azy ho afaka madiodio.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.