Nanao rodobe nidina tany amin’ny distrikan’Ambalavao Tsienimparihy Faritra Matsiatra Ambony tamin’ny sabotsy teo ny mpikambana maromaro avy amin’ny ankolafy Ravalomanana (CST 3 sy CT 2) nanotrona ny fifampiarahaban’ny antoko Tiako i Madagasikara tany an-toerana.
EFa dodona ny hahita ireto vahiny manan-kaja sady liana amin’ny fihainoana ny hafatra mazava amin’ny ho tohin’ny tolona atao ireo vahoaka marobe niandry am-pilaminana tao amin’ny Lycée Privé Fjkm Lovasoa. Nazava ny hafatra nentin’ny CST Rakotonomenjanahary Jean Ernest nilaza ampahibemaso fa : tsy mila « amnistie » ny filoha Marc Ravalomanana satria sady tsy namono olona izy no tsy nampitifitra ihany koa tamin’ireny raharaha 7 febroary ireny. Tsy ny Praiminisitra an-dalambe tamin’ny fotoanandrony, hoy izy, no tokony hitory na hitsara satria anisan’ny nitarika ny vahoaka hatao sorona izy mba hitadiavan-tseza. Tsy zakan’ny Frantsay, hoy ny CST ity, ny niara-niasa tamin’ny filoha Ravalomanana ka izy no ao ambadiky ny fanonganam-panjakana niseho tamin’ny 2009 ireny ary aza mipetrapetra-potsiny fa tsy mazava indray izao ny fahatogavan’ny miaramila frantsay maromaro eto Madagasikara.
Tsy mijanona ny tolona raha tsy lany ho filoha indray i Marc Ravalomanana, hoy ity mpitari-tolona ity. Mila mitandrina kosa isika, hoy ny CST Rakotonirna Lova, satria maro no misoloky anarana indrindra ireo mpamadika ary dia nitondrany fanazavana misimisy ny mahakasika ny Gmmr sy ny Tim Raharinaivo. Na teo aza ireo nisintaka ireo, hoy ny CST Rakotoarimanana Joelisoa nanampy izany, dia ny ankolafy Ravalomanana ihany no nahazo tso-drano ary miaraka mitantana ny tetezamita ka mitrakà, matokia hatrany ny filoha Ravalomanana. Mbola nanamafy izany koa ny CT Randriampilamanana Rostand raha nilaza fa mila mijoro isika, mila mitovy fotokevitra sy fomba fijery ka samy hibanjina ny tanjona dia ny fampandaniana ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana ho avy. Efa akaiky ny fandresena fa aza kivy, hoy ny CT Raharison Roger nanampy izay. Ny raiamandreny Rakotoarivelo Albert filohan’ny Dis Tim Ambalavao kosa dia nampita hafatra tamin’ireo vahiny ny mba hamaranan’ny mpanao politika ny krizy eto Madagasikara amin’izay fa mijaly ny vahoaka ary mangataka ihany koa ny hamatsiana ny any ambanivohitra fitaovana ilaina amin’ny fampandrosoana toy ny tamin’ny andron’ny filoha Marc Ravalomanana. Nisy ny famaliana ny fanontanian’ireo mpikambana TIM tamin’ity fihaonana tamin’ny sabotsy teo ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.