Ny tsy fanarahan-dalàna no olana eto, hoy ny mpanao politika Leader Fanilo, Randrianambinina Alphonse, raha naneho ny heviny mikasika ny fahitana ny filoham-pirenena,
Hery Rajaonarimampianina, mandray fitenenana isak’izay toeram-pivavahana nalehany tato ho ato. Ny andininy voalohany sy faharoa amin’ny lalàmpanorenana dia mametra fa tsy tokony hanafangaro ny raharaham-pivavahana sy ny fitantanam-panjakana ny mpitondra fanjakana, hoy ny fanazavany, saingy ity filoha ity, hoy izy, dia sahy milaza mihitsy hoe : tsy afa-misaraka ny maha filoham-pirenena sy maha kristianina. Raha miangona toy ny mpiangona rehetra izy tsy olana fa ilay izy mikabary ambony pilipitra mihitsy no midika ho fandikan-dalana, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.