Manantena ny hisian’ny fampiharana ny zavatra natao nandritra ny roa andro teny amin’ny efitrano fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato i Albert Camille Vital, filoha mpitarika ny fikambanana Hiaraka Isika raha nanontaniana ny heviny mikasika iny atrikasa iny
Ny tsy fampiharana ny zavatra nandaniana fotoana sy namoriana olona tahaka ireny mantsy aminy no mahatara ny fampandrosoana ny firenena. Ankoatra izay dia notsindriany fa endriky ny fampihavanana ny samy Malagasy sahady ireny na dia tsy miady aza isika. Manantena izy, araka izany, fa hilamina avokoa ny zava-drehetra aorian’ny fampiharana ireo notipanaka rehetra tao anatin’iny atrikasa iny, eny hatramin’ny disadisa sy ny lonilony nisy tany am-pon’ny tsirairay avy tany aza. Ho an’i Camille Vital manokana moa dia tokony hiroso hatrany ny dia fa tsy mihemotra, indrindra fa ny fandraisana anjaran’ny tsirairay avy amin’ny fampandrosoana ny firenena iombonana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.