Tapitra ny 100 andro, efa fanovana governemanta fanintelony na faninefany no nisy, kanefa nireharehany ny hoe hitady “cerveaux” na avy eto an-toerana na avy any ivelany, ka tsy nisy “cerveau” daholo ve ireo tao ireo?
hoy i Faniry Alban Rakotoarisoa Filohan’ny Antoko politika madio na ny APM tao amin’ny fandaharan’ny onjam-peo tsy miankina iray ny faran’ny herinandro teo. Ialana tsiny aminao Atoa filoha fa tsy vakiraoka ny fitantanana ny firenena, tsy atao andrakandrana, ary izy ity akory tsy atao tsapatsapa vodin’akoho, ka raha tsy tainyy dia atody, hoy izy, izay naneho fa efa fanintelony nitondran’ny Filoha sy ny ekipany izao. Tsy ekena izany afera 8 miliara ariary izany izay tsy izay ihany fa nisy resaka 18 miliara ariary nitsinjarana rakibolana raha ny fanadihadiana, 100 tapitrisa ariary nakana ny razan’ireo tra-doza,… Tsy iny minisitra iny irery no tsy mety ao anatin’ny governemanta, fa ny zavatra misy dia ny hoe alamino. Tsy fidiny ho an’ny olona no tonga amin’ny fangatahana ny fialan’ny Filoha, toy ny tany Toamasina. Mikasika ny “îles eparses”, dia mahatsapa izahay fa sarimihetsika ihany no ataon’ny fitondrana. Ny an’ny Frantsay, tonga dia hetsika, manao ny fikasany hanao ny Nosy ho tahiry voajanahary, ary tena ataony ny azy. Ny aty amintsika anefa zavatra tsotsotra ny valiny, fiantsoana ny ambasadaoro Frantsay monina eto. Rehefa mamoka didim-panjakana ny Frantsay, dia avoahay ihany koa ny didim-panjakana mametraka ireo Nosy ho faritra faha-21, raha tena lehilahy, hoy i Alban Rakotoarisoa. Tena leom-boanana izahay, tsy fotoanan’ny fampanantenana intsony izao kanefa hatramin’izao dia hoe: ho sangany isika aty Afrika, ho lohany manerana izao tontolo izao,… hoy ity mpanao politika ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.