Maromaro ihany ireo fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tompon'andraikitry ny fandaharana manokana ao amin'ny haino aman-jery tsy miankina iray tamin'Atoa Alban Rakotoarisoa
"Bàbà" filohan'ny Antoko Politika Madio, tamin'ny alin'ny talata 27 mey 2020 lasa teo, raha nivahiny tamin'izany fandahrana izany izy. Nampihemotra azy hamaly ny fanontaniana maromaro napetrak'ity mpanao gazety ity ny filazany fa ho kilasiana avy hatrany ho mpanohitra na mpomba ny fitondrana ankehitriny izy an'izany. Nambarany tao anatin'ny mangaraharaha kosa fa izy irery no fantany fa kandidà tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna farany teo natao teto amin'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra hany nanatitra ny tatitry ny vola nampiasainy sy ny an-tsipirihan'ny nandaniana izany tany amin'ny tompon'andraikitra misahana an'izany eto amintsika. Mikasika ny ady atao amin'ny tsimokaretina covid-19 dia nambarany tamin'ny fahasahiana tanteraka fa : lasa "covid-business" izany eto amintsika noho ny tsy fisian'ny mangarahara misy amin'ny fampiasana an'ireo vola fanampiana azo avy any ivelany hiatrehana an'izany. Aoka izay ny fiheboeboana ataon’ny mpitondra fanjakana sy ny mpomba azy eo amin'ny fiatrehana ny ady amin'ity tsimokaretina ity, hoy izy, na ny "werawera" hoy ny fitenin'ny tanora ankehitriny fa manjary mbola ataon’izy ireo fampielezan-kevitra ity ady amin’ny tsimokaretina ity mba hitadiavana fankatoavan’ny vahoaka azy ireo. Na izany aza dia nambarany koa fa misy lafiny miabo vitsivitsy nentin'ity ady amin'ny tsimokaretina ity dia ao ny nahatsapan’ny mpitondra antsika ny laharam-pahamehana tokony ataony, ao ny fisongadinan'ny fiandrianam-pirenena Malagasy sy ny firaisankinantsika amin'ny tany Afrikanina maro tamin'ny namokarantsika ny tambavy CVO. Lasa voahaja ho azy ihany koa ny tontolo iainana eto amintsika noho ny fanentanana amin'ny tsy fahazoana mandrora amin'ny tany. Izao no fotoana tokony hanararaotantsika hanitsiana an’izay tsy nety rehetra teto amin’ny firenena hatrizay, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.