Politique

Albain Rabemananjara Ny FFKM no fara-fanantenana


  • Alakamisy 23 Mey 2013

Potika ny firenena. Miaiky izany ny rehetra. Kely ny finoana ny hahatafavoaka amin’izao krizy izao manoloana ny safotofoto sy ny fitiavan-tsezan’ny mpanao politika sasany izao.

 Ilay fifanarahana heverina handravonana ny disadisa ity toa ambivitra ahiana ho faty momoka ary toa vao mainka hampiditra ny firenena any an-davaka. Kivy sy ketra ny vahoaka, tsy mahita izay haleha. Manjaka n’aiza n’aiza ny gaboraraka. Fefiky ny kolikoly ny raharaham-panjakana, ary hita ho tena nahazo vahana io tato anatin’izao tetezamita izao, hany ka toa zary mandefitra manolotra ny tombontsoan’olon-tokana, sy olom-bitsy ny tombontsoam-pirenena, tsy laharampahamehan’ny mpitondra izany fitsinjovana ny hoavy sy ny taranaka faramandimby izany fa manao fiainam-boalavo mikepoka izay hita.

Mila hahatofoka ny zava-misy, koa fotoana izao tokony hijoroan’ny vahoaka handraisany an-tanana ny hoaviny, hoy i Albain Rabemananjara Filohan’ny «Club développement et Ethique». Any amin’ny FFKM no fara-fanantenana, hoy ity farany ka tokony homen-tanana sy tohanana ireo raiamandrenim-piangonana hahatontosa ny ezaka fikatsaham-bahaolana ataony hamahana ny krizy sy ny tsy hiverimberenany intsony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT