Velon’ahiahy ny CDE na «Club Développement et Ethique» tarihin’i Albain Rabemananjara manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena tato ho ato.
Mikasika ny fifidianana, dia mihevitra izy ireo fa tsy feno ny fepetra ahafahana manatontosa izany araka ny fenitra takiana, ka tsara ny hanemorana azy fa tsy atao amboletra. Basy atifi-kavana koa ny an’ny CDE milaza fa hampidi-kizo an’i Madagasikara ny CES na ilay fitsarana manokana hisahana ny fifidianana, tamin’ny mbola nanekeny ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina na efa dila aza ny fe-potoana. Miharihary amin’ireny fa mitanila ity rafi-pitsarana manokana ity ary mampiseho tsy fahamatorana, ka sarotra ny mbola hitokisana aminy, ka tokony hasiam-piheverana sy fandraisana fanapahan-kevitra, hoy Rabemananjara Albain.
Ambavahaona
Mikasika ireo kandida filoham-pirenena indray dia gaga amin’ny mbola ifikiran’ireo mpitondra eo amin’ny seza ny CDE na dia efa tondroin’ny lalàna izao aza fa mametra-pialana avy hatrany izay kandida, tsy hisian’ny fanararaotam-pahefana ary koa hampadio ny fifidianana. Mihevitra koa ny CDE fa raha nekena ihany ny firotsahan-kofidian’i Andry Rajoelina, dia tokony avela hirotsaka koa i Marc Ravalomanana, noho izy ireo fototr’izao krizy izao, ka avelao ny vahoaka no hisafidy ka hitsara azy ireo amin’ny alalan’ny latsa-bato. Ankoatra izany dia nokianin’ny CDE ireo hafa mihazakazaka ho kandida nefa tsy hita akory izay fahombiazany tamin’ny andraikitra notanany avy. Manoloana ireo dia manohana ny lalan-jotran’ny FFKM amin’ny fampanjariana ny diniky ny samy Malagasy ny CDE, hitadiavana vahaolana tena malagasy hanavotana ny firenena sy mba tsy hiverimberenan’ny krizy intsony. Ry zareo rahateo dia isan’ireo niantso hatrany ireo raiamandrenim-piangonana hijoro ka handray andraikitra, fa efa ambavahaonan’ny loza i Madagasikara.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.