Manao ranolava ny fanambarana fanoherana ny fampidirana am-ponja ireo mpanao gazety roalahy ao amin’ny «Madagascar Matin» ny alatsinainy taorian’ny namoahana an-gazety fanehoan-kevitr’olon-tsotra momba ny trafikana boaderôzy ka mahavoatonona anarana minisitra am-perinasa telo lahy
Tsy nitsitsy fitenenana i Albain Rabemananjara filohan’ny CDE (Club Développement et Ethique), omaly, nilaza fa tandindonin-doza ny demokrasia izay mbola marefo eto Madagasikara, toy izany koa ny Malagasy 20 tapitrisa. Kobaka am-bava avokoa ny fampihavanam-pirenena taorian’ny mpitondra, hoy izy, fa jadona izao no miseho lany ary adin’ny kanosa ny manenjika mpanao gazety matahotra ny hivoahan’ny marina. Nampahatsiahy i Albain Rabemananjara fa efa namoaka lisitr’ireo olona tafiditra amin’ny trafika boaderôzy ny Amerikanina, toy izany koa ny «Voahary Gasy» sy ny praiminisitra teo aloha Omer Beriziky saingy nangina tsy nisy tohiny avokoa ireny, tsy mba nanokafana fanadihadiana akory. Mampanahy ny zava-misy, hoy i Albain Rabemananjara, ity farany izay miantso ireo fiarahamoninm-pirenena mba haneho firaisankina ka hanohana ny asa fanaovan-gazety izay mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny. Mitaky ny hamoahana tsy misy hatak’andro ireo mpanao gazety ireo ny CDE.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.