Raha olom-pirenena maro ankehitriny no tsy resy lahatra amin’ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity dia ny Malagasy mamela handalo fotsiny ny vanim-potoana tokony hanorenana firenena anjakan’ny fihavanana sy firaisankina araka ny soatoavina malagasy mihitsy no mampanahy ny Club Développement et Ethique (CDE).
Mihevitra ny CDE fa fanararaotra izao tetezamita izao handravonana ny disadisa rehetra niseholany teto sy nitsaboana ireo aretina maro nikiky ny firenena an-taonany maro ka nanatanterahana ny fampihafanam-pirenena, mba ahazoana manangana firenena vanona sy marin-toerana hieritreretana ny tena fampandrosoana amin’izay. Tsy izay anefa no mitranga ka dia vao mainka fatiantoka iray lavaka no azo tamin’ity tetezamita ity, satria miotrika ny disadisa, tsy hisy fitoniana. Ankehitriny mantsy dia miseho lany ny fanilikilihana ary tandindomin-doza ny demokrasia. Tsy hamaha ny krizy velively anefa izany, hoy Rabemananjara Albain, filohan’ny CDE, fa tokony homena sehatra ny fifampidinihana hisian’ny tenierana. Amin’ny CDE dia tsy tanjona fa dingana ihany mankany amin’ny fanorenam-pirenena ny fifidianana, koa manahy ny CES sao ho loharanon’ny korontana tsy hisian’ny fitoniana sy fandriampahalemana efa marefo izao ity hazakazaka arahin-tosika sy amboletra hanatanteraka fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka amin’ity taona ity. Amin’ny CDE dia fifidianana kitoatoa no ho vita eo anatrehan’ny tsy fahatomombanana maro tsikaritra amin’izao, miainga amin’ny fandrafetana lisi-pifidianana izany ka hatrany amin’ny bileta tokana izay tsy mbola fantatra mazava ny ho endriny, nefa mila fotoana maharitra ny fampianarana ny mpifidy ny fampiasana azy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.