Politique

“Alatsinainy mainty” Mbola misitery hatramin’izao


  • Talata 26 Janoary 2016

Feno 7 taona katroka anio ny «Alatsinainy mainty». Raharaha anisan’ny nafana teto amin’ny firenena tokoa ny 26 janoary 2009 saingy mbola misitery amin’ny mpiray tanindrazana hatramin’izao

 

. Niavaka rahateo ny hetsika notarihan’ny ben’ny tanàna Rajoelina Andry Nirina izay niainga tamin’ny fitakiana ny famoahana haino aman-jeriny nefa niafara tamin’ny fanapotehana fananan’olon-tsotra sy harem-pirenena ary fakana an-keriny ny fahefam-panjakana ara-dalàna. Nitantana ny fitondrana samirery nandritra ny 5 taona avy eo ny TGV izay niofo ho Mapar ankehitriny fa tsy niresaka na nikitika mihitsy momba ireo fatiantoka sy fahapotehana mahatratra hatrany amina miliara ariary maro miaraka amin’ny famoizana ain’olona an-jatony nandritra iny andro tokana tafiditra tao anatin’ny kajy politika fanonganam-panjakana farany lazaina ho «Revolisionina volom-boasary» iny. Tena liana sy miandrandra ny fivoahan’ny marina mikasika io ampahan-tantara nanamaloka ny fiainam-pirenena io anefa ny ankamaroan’ny Malagasy. Rariny sy hitsiny loatra izany satria na ny tondrozotra nosoniavin’ireo mpanao politika milaza ho mahasolotena ny vahoaka Malagasy aza dia manambara mazava ny fanonerana ireo orinasa sy mpandraharaha niharan’io fandrobana miaro halatra nanapotika ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka io.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT