Politique

« Alatsinainy mainty » Hotsiahivina ao amin’ny Kianjan’ny Demokrasia ?


  • Alatsinainy 25 Janoary 2016

Enin-taona katroka anio, raha ny andro, fa rahampitso raha ny datin’andro no nitrangan’ny zava-doza, ka nandoran’ny andian’olona efa nomanina mialoha ny haino amanjerim-panjakana (RNM sy TVM) sy tranombarotra maro ary ny fananan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, toy ny Tiko, Magro ary MBS

                                                                      

. Misy ny vavaka iraisam-pinoana ho fampaherezana ireo niharam-boina, nitondra faisana noho ny tondro molotra sy ireo natao hazalambo tamin’izany, izay heverin’ny mpikarakara hatao ao amin’ny Kianjan’ny  Demokrasia Ambohijatovo, rahampitso talata 26 janoary 2016.

Enin-taona aty aoriana, mbola mamela tandindona eny izany zava-doza nataon’ny fahavalom-pirenena izany. Tsy mbola tafarina ny fotodrafitrasan’ny RNM. Ny MBS, Magro ary Tiko tsy misokatra hatramin’izao. Efa naneho ny fahavononany hanarina indray ireo orinasa ireo ny fianakaviana mpanorina azy, saingy ny fanjakana mijoro ankehitriny, izay zanaky ny tetezamita ihany, no misakana manao izay hahitan’izy ireo masoandro, nefa asa an’arivony no tokony hiforona ao anatin’izany. Ny tena mahazendana ihany koa dia ny fahanginan’ny fitsarana manoloana iny raharaha iny. Ny Fitsarana sy ny mpitsara izay milaza hatrany fa mahaleotena, sady tsy mitanila. Hatreto anefa, tsy nisy raharaham-pitsarana mikasika iny « Alatsinainy Mainty » tamin’ny 26 janoary 2009, na nisy fitoriana napetrak’ireo niharam-boina tamin’iny andro iny aza. Inona no antony ? Ny loza koa aza dia nisy vitsivitsy tamin’ireo niharam-boina, voaroba na may tranombarotra tamin’iny fotoana iny, no nahazo fanonerana ara-bola fa ny ankamaroany dia niharan’ny « Andraso eo i Paoly ! », nefa samy traboina « Alatsinainy Mainty » iny avokoa. Nijoro ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) hatramin’ny tetezamita fa tsy nahavita nandamina io raharaha io. Hatramin’izao aza moa mifampitady hatreny amin’ny « Conseil d’Etat » ny MBS sy minisiteran’ny serasera amin’ny hanokafana ity haino aman-jerin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity. Mifoha indray ny raharaha ankehitriny, amin’izao tsingerintaona fahenina isian’ny tsiahy izao. Vavaka iraisam-pinoana no fantatra fa hanamarihana izany. Ny Kianjan’ny Demokrasia  Ambohijatovo no toerana novolavolain’ny mpikarakara hanatanterahana izany, raha tsy hosakanan’ny prefen’Antananarivo.

Rabri

                                                                                                                                                               

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT