Politique

Alakamisy Itenina-Fianarantsoa Avy aiza marina ireo fitaovana nozaraina ?


  • Alatsinainy 13 Febroary 2017

Nipoapoaka ny kabary “propagandy” nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany Alakamisy Itenina, distrikan’i Vohibato, ny zoma 10 febroary teo, nanolorana fampitaovana mahasahana fampandrosoana eny ambanivohitra.

 

 Teo ny fizaràna tohotra tantely miisa 500 ho an’ireo tantsaha mpiompy nahazo fiofanana. Notolorana akoho gasy fakàna taranaka an-jatony ireo fikambanam-behivavy 13 ao an-toerana. Nisy ny fampitaovana momba ny fandrafetana sy jono an’ireo tanora 74 mianadahy mivondrona ao anaty fikambanana miisa 18 tohanan’ny tetikasa PROSPERER. Nanome zanakazo sy zezika hiarovana ny tohadrano sy sahandriaka kosa ny tetikasa PURSAPS. Tsy diso anjara tamin’ireo ny mpiompy ombivavy be ronono ao Alakamisy Itenina izay notolorana fitaovana fanodinana ny vokatra, nampiana motocylette fanomezana avy amin’ny mpitondra, izay nahazendana ny maro. Raha ny loharanom-baovao mantsy dia fitaovam-pitaterana novidiana avy amin’ny herimpon’ireo tantsaha mpikambana ao amin’ny ROFAMA (ROnono FAritra Matsiatra Ambony), izy io, ka mahatonga azy ireo mametra-panontaniana hoe avy aiza marina ireo fitaovana nambara nipoapoaka fa fanomezana tao Alakamisy Itenina ? Mbola ny loharanom- baovao hatrany no milaza fa tetikasa efatra misehatra ao Matsitra Ambony no loharano ipoiran’ireo fanomezana ireo, fa resaka fampandriana adrisa ny ankoatra izay, toy ny fampanantenana hanamboarana ny lalana Andrainjato-Mahasoabe sy Talata Ampano Alakamisy Itenina. Fa nanamarika io fotoana io ihany koa ny tsy nanasana ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’i Vohibato, Randrianatoavina Jean Martin hanatrika io fotoana io.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT