Politique

Alain Tehindrazanarivelo Hihetsika ny antoko madinika tanora toy ny ENINA


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011


Marina ny filazana an-gazety, hoy Atoa Alain Tehindrazanarivelo filohan’ny ENINA, fa anisan’ireo antoko madinika no tantananay satria vao tsy ela no niforona, nefa araka ny resaka tamin’ny famaranana ny filankevitry ny antoko Matsilo teny Ampefiloha ny sabotsy teo dia tsangan-kevitra ny fanaovana politika fa tsy tsangan’olona ary ny mpifidy malagasy tsy ankanavaka izay inoanay fa manana fahendrena sy fahasahiana dia hisafidy ny hevitra tiany. Efa hatrany amin’ny faha mpanjanatany dia efa sahy nijoro hatrany ny Malagasy nanohana ny heviny. Ka ny olana aminay antoko politika lazaina fa madinika izany dia hitady lalina hevitra handresenay lahatra ka hatolotray ny vahoaka malagasy izay tena tompon’ny fahefana afahany misafidy izay tiany fa ny hevitra hatramin’izao dia tsy mahavaha ny olan’ny vahoaka satria tsy mahatafavoaka ny firenena amin’ny lalana metimety amintsika mianakavy.

Ka ny lesona azonay ary hotsoahinay kokoa amin’ny maha-mpanao politika tanora anay dia hiasa andro aman’alina handalina hoe : inona no tena zavatra tadiavin’ny Malagasy, inona no mba traikefa kely ananan’ny tena hizahana vahaolana izany ary haroso amintsika mianakavy fa dia any amin’ny fifidianana no ahitana azy. Aoka izay ny fanilikilihana fijerena tsangan’olona fa adihevitra no ndeha hatao. Ny amin’ny hoe fitambarana etsy sy eroa dia efa ela no nataonay. Rehefa tafaverina avy any amin’ny sesitany izahay dia niaraka tamin’ireo nanongana ny filoha Ratsiraka, tahaka an’Atoa Alain Andriamiseza, dia avy eo niditra tao anaty Escopol ihany koa, angamba tsy nisy fifanatonana ohatra ireny, nefa inona no vahaolana teo ?

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT