Politique

Alain Ratsimbazafy « Tsy mirindra ny fitantanana ny raharaham-pirenena »


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Tsy mirindra ny fitantanana ny raharaham-pirenena eto matoa misy tranga maro samihafa miseho eto, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy,

naneho ny heviny mikasika ny zava-misy ankehitriny. Mikasika ny resaka voina dia ilaina ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy malagasy. Ilaina ny fanjakana manampy ny vahoaka saingy raha misy kosa ny voina dia mila hamafisina ny firaisankinan’ny Malagasy amin’ny hoe “trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana”. Mikasika ny hetsika ataon’ny mpivarotra sy ny hafa dia ilaina ny fandaminana ny tanàna saingy mila toerana aloha hamindrana ireo mpivarotra ireo. Ny hohanina anio tadiavina androany, izany hoe, mitrosa ny ankamaroan’ireo mpivarotra amoron-dalana ireo. Hamelomany ny vady aman-janany izay kanefa dia very asa tampoka izy amin’izao ary izay no manahirana, hoy hatrany ny tenany. Efa miaina anaty fahasahiranana ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Adidin’ny antoko Tiako I Madagasikara, amin’ny maha mpanohitra azy, ny mampahafantatra ny fitondram-panjakana amin’izay mety mampiahiahy na manahirana ny vahoaka Malagasy, hoy ity depiote TIM ity. Tsy hanohitra ny mitranga rehetra ny antoko fa mitondra soso-kevitra ihany koa ahafahana mamaha ny olam-bahoaka. Ny zavatra hitanay ety ifotony, toy ny ety Atsimondrano, dia tsy mandry fahalemana ny mponina. Manainga ireo mpitandro filaminana, indrindra ety amin’ny tontolo ambanivohitra mba hijery akaiky io sehatra io. Na eo aza ny zandary sy polisy, dia ny fitaovana enti-miasa mihitsy no tsy ampy ka na izy ireo aza lasa manana fanahiana. Ireo jiolahy indray mantsy no manana fitaovana arifomba. Na ny andrimasom-pokonolona aza mipirina fa toy ny atody miady amam-bato, hoy ny fanazavany.  

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT