Politique

Alain Ratsimbazafy “Hofanina ireo Ben’ny tanàna TIM”


  • Zoma 17 Janoary 2020

Nahatafiditra Ben’ny tanàna fito ny antoko Tiako I Madagasikara tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo ho an’ny

 

 

distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Hisy ny fiofanana manokana omena azy ireo sy ireo mpanolotsaina TIM miaraka aminy raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Alain  Ratsimbazafy omaly tamin’ny mpanao gazety. Izany no hatao, hoy izy dia hahafahana manatanteraka ilay vanim-pampandrosoana katsahina isaky ny kaominina mba  hisy fiantraikany ho amin’ny isam-baravarana izany. Nanamafy ity solombavambahoaka iray ity fa depioten’ny  Ben’ny tanàna rehetra izy noho izany misokatra ary vonona hiara-kiasa amin’ny rehetra hahafahana mampandroso an’Atsimondrano. Mikasika ny fizotry ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo dia nomarihiny manokana fa tsy  nilaozan’olana tany amin’ireo biraom-pifidianana sasany saingy mpanaja ny lalàna velona ny antoko Tiako I Madagasikara ka manaja izay didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady hatao amin’ny fanjakana ihany koa.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT