Politique

Alain Ratsimbazafy “Hatsaraintsika ny fifandraisan’ireo olom-boafidy”


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Vonona hanefa ny adidy nankinin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana aminy Atoa Alain Ratsimbazafy, kandida voafidin’ny antoko Tiako I Madagasikara hifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ao anatin’ny distrikan’ Atsimondrano.

 

 

 

 

Nisaotra ny filoha mpanorina ny antoko mihitsy izy ary nanantitrantitra fa tsy handraraka ilo mby an-doha ny fahatokisana napetraka taminy. Anisan’ny mampiavaka ity kandida solombavambahoakan’ny antoko TIM eny Atsimondrano raha tsiahivina ny fananany traikefa manokana. Efa 12 taona mantsy no nahaben’ny tanànan’Ambohijanaka Atsimondrano azy. Ankoatra izay dia tsy mbola nivadika tamin’ny antoko TIM mihitsy ny tenany fa nijanona ho mpikambana foana. Anisan’ny asa goavana hotontosainy araka izany raha vantany vao lany soa aman-tsara ny tenany ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ireo olom-boafidy toy ny Ben’ny tanàna sy ny solombavambahoaka. Izany no hitako lesoka hoy izy hatramin’izay satria tokony hifanohana hatrany ny Ben’ny tanàna sy ny solombavambahoaka, indrindra amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka. Nomarihiny moa fa fotoana fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena izaho noho izany tsy hiamboho adidy ny tenany. Ny Sabotsy lasa teo no notsofin-drano teny Antanimenakely Ampitatafika Atoa Alain Ratsimbazafy ka fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nisantarana izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT