Politique

Alain Ramaroson Tsy tapa-kevitra tamin’ny ora farany


  • Alatsinainy 29 Aprily 2013

Nivalona teo iny ny pejin’ny fanaterana antontan-taratasy filatsahan-kofidian’ireo efa nilaza ampahibemaso na nanam-paniriana mba ho kandida.

 Anisan’ireo efa nanambara fa vonona i Lercia, saingy tsy tonga teny amin’ny CES ny dosieny. Nambara koa omaly i Alain Ramaroson fa efa vonona tanteraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany saingy tsy tapa-kevitra tamin’ny ora farany hanatitra izany teny amin’ny CES noho ny fahatsapany fa tsy homena hasina ny firenena Malagasy amin’izato afitsoky ny mpanao politika ao aminy. Tompondaka eran-tany amin’ny hamaroan’ny kandidà mirotsaka ho filoham-pirenena isika ankehitriny, hoy izy. Kandidà ahitana karazan’olona tsy madio tanana fa mpibaiko ireo raharaha tsy manjary amin’izao fitondrana tetezamita izao. Lalao maloto no misy eto, hoy i Alain Ramaroson. Manome tso-drano ny asan’ny FFKM amin’ny fikatsahana fampihavanana eto amin’ny firenena izahay, hoy ity filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana sady lehiben’ny vaomiera mpanadihady eo anivon’ny CST ity.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT