Very fanahy mihitsy aho, hoy i Alain Ramaroson, raha mahita izao fitohizan’ny fanaovana tsindrihazolena atao amin’ny vahoaka izao.
Efa nisy ny lalàna navoakan’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 23 mey 2012, hoy izy, ny amin’ny tokony hanajanonana ny fandravana trano sy fanalana olona amin’ny tany itoerana nefa mbola manjaka ihany izany ankehitriny ary vao mainka mitombo aza. Izaho dia manao antso avo etoana, hoy i Alain Ramaroson, fa tsy hitsahatra mihitsy izahay amin’ny fiarovana an’ireo voan’ny tsindrihazolena ireo fa ny mahazo amin’ny afitsoky ny loza voajanahary aza ity efa tsy hita izay hanaovana azy ka mbola ny samy Malagasy izao indray no hifampila kisa eto !
Tsy afaka ny hangina mihitsy izahay amin’ny maha solontenan’ny vahoaka anay na dia tsy olom-boafidy aza. Kirizim-pivelomana no mahazo ny Malagasy ankehitriny ka zara aza izy manana asa fivarotana atao nefa dia alana amin’izany indray. Raha ny fandaminana dia azo ekena, hoy izy, fa ny fanaovana antsojay kosa dia tsy ekena mihitsy. Anisan’ny tsy hampisy fitoniana tadiavina ny fikitikitihana ny asan’ireo very asa ireo. Ara-dalàna ireny aminay matoa nomena jiro sy angalana vola vidina “ticket” isan’andro izao ka nahoana no lazaina fa tsy mety indray tampotampoka eo ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.