Politique

Alain Ramaroson Tokony hesorina koa ny Lehiben’ny Faritr’i Vakinankaratra


  • Alakamisy 25 Aogositra 2011


 Tahaka ny nolazainy tany Mahajanga eo amin’ny resaka olana ara-tany dia nambaran’Atoa Alain Ramaroson lehiben’ny filaminanana sy fiarovana ao amin’ny Filan-kevitra ambonin’ny tetezamita fa tokony ho esorina tahaka ny lehiben’ny Faritr’i Boeny ihany koa ny lehiben’ny Faritr’i Vakinankaratra amin’ny fanamparam-pahefana atao amin’ny olana ara-tany miseho any amin’ny faritr’Ambatolampy Antsirabe iny. Ny fanovana no takiana sy nilokalokana teto amin’ny firenena ka nanaovana ireny tolona tamin’ny taona 2009, hoy izy, nefa misy mitady hamerina ny fanaon’ny taloha indray izao ka tsy hanaiky izany mihitsy ny tenako fa hiady hatramin’ny farany amin’ny fanaparam-pahefana ataon’ny sasany eto. Resaka tombotsoan’antokon’olom-bitsy tsy mihoatra ny 4 ve, hoy izy, dia ahazoana mandrava tanànan’ny vahoaka ? Tsy azo ekena izany fa hijoro ny tena hanohitra izany, hoy izy !

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT