Omaly alatsinainy tamin’ny 9 ora maraina no fotoana voatondro hanaovana ny fanadihadiana an’i Alain Ramaroson, teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy. Maro ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana.
Voarirarira avokoa anefa izay tonga teny. Fantatra fa hotohizana amin’ny fotoana manaraka ny fanadihadiana lalina hatao aminy. Nampiseho taratasy fizaram-panana mitondra ny datin’ny 4 febroary 1985 indray mantsy i Alain Ramaroson izay manambara fa ny reny niteraka azy (Charlotte Ravololona Ratsimihah) izay vady faharoan-dRamaroson rainy no nambarany fa mandova ny fananany rehetra rahatrizay maty izy. Raha mitombina sy ara-dalàna io taratasy io dia tsy mila fahazoan-dalana avy amin’i Gaston Ramaroson sy ny fianakaviany hafa intsony izay hafa reny aminy, i Alain Ramaroson raha hivarotra tany. Mbola hanohy ny fanadihadiana lalina ny fitsarana ahafantarana ny tena marina. Naverina eny Antanimora ihany aloha i Alain Ramaroson mandra-piandry ny tohin’ny fanadihadiana.
J.M
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.