Niara-niafy, niara-nitolona izahay tamin’ny 2009 ireny, ka ataoko ahoana no tsy hiaraka amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa dia manohana azy ary hiaro azy hatramin’ny farany aho,
hoy i Alain Ramaroson omaly raha nivahiny manokana tao amin’ny fahitalavitra TV Plus izy. Zava-dehibe ny fahasahiany nanao velirano satria zavatra tena misy akony amin’ny taranaka faramandimby izany ary zava-doza raha tsy tanterahana. Sahy nanao velirano teo anoloan’ny Papa Ray Masina ihany koa izy, hoy hatrany i Alain Ramaroson, midika izany fa tena sahy izy ary mbola fahasahiana tahaka izany koa ny nitakiany ny famerenana ny “Iles Eparses”. Maro ny ezaka natao, maro ny fanampiana azon’izao fitondrana izao, hoy izy. Momba ny tetikasa Tana-masoandro indray dia nambaran’i Alain Ramaroson fa ilaina ny fifampiraharahana. Tsy maintsy hitarina Antananarivo satria izany no fampandrosoana, fa kosa mila mahazo ny tambiny mendrika azy ny vahoaka fa tsy fitapitahana na ambakaina. Ny 20 aogositra lasa teo moa no nivoaka ny fonjan’Antanimora i Alain Ramaroson izay nigadra nandritra ny fitondrana HVM. Nohizingizininy fa misy tambajotra be manahirana ny fitsarana eto Madagasikara, ary mbola hambara amin’ny manaraka ny marina rehetra, hoy izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.