Politique

Alain Ramaroson “Fitondrana adala no misy eto”


  • Alarobia 30 Martsa 2016

Tena fitondrana adala no misy eto amintsika. Io no nambaran’i Alain Ramaroson omaly raha tonga nanatitra voninkazo teny

 

Ambohijatovo ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy  ho fahatsiarovana ireo maherifontsika namoy ny ainy noho ny tolom-panafahana  natao  ny 29 martsa taona 1947. Gaga sy talanjona aho nahita fa rakotra mpitandro ny filaminana ny toerana nanaovan’ny vahoaka Malagasy izany fametraham-boninkazo izany nefa ireo tranombarotra lehibe ana vahiny miasa eto amintsika mivoha daholo sady mivarotra toaka tsy asiana resaka fa mbola ambenana indray aza, hoy izy. Tena fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy misaona izany fihetsika izany ka tsy azontsika leferina intsony. Tsy mila mpitondra milelaka amin’ny vahiny isika. Resaka frankofonia ve no hanaovana tsinontsinona ny Malagasy tahaka izao nefa ireo karana no tena mahazo tombontsoa amin’izany ? Tsy misy frankofonia raha tsy tafaverina ny Nosy Malagasy rehetra bodoin’ny frantsay.  Miantso ny vahoaka Malagasy mba ho tonga saina i Alain Ramaroson. Efa eo am-panomanana ny filaharambe hotanterahina eto an-drenivohitra moa ity lehiben’ny antoko Masters ity ankehitriny, filaharana ho fanoherana ny mpitondra izay hiainga eo amin’ny garan’i Soarano ka hatreny Anosy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT