Alain Ramaroson

> Hiaro ireo voan’ny tsindrihazolena


  • Zoma 16 Aogositra 2013

Tena mitarika faharavam-piainan’ny olona ianjadiany ity resaka ady tany sy fandroahana Malagasy amin’ny taniny ity, hoy i Alain Ramaroson.

“Mijaly fadiranovana ny ankizy tsy afa-mianatra intsony, mitondra fahoriana ny olon-dehibe marary fo amin’ny tsy antony, ka tsy azo leferina intsony ka hihetsika ny tenako hidina ifotony hijery ny zava-misy sy hiaro an’ireo vahoaka voan’ny tsindrihazolena amin’ny maha-filoha lefitry ny vaomieran’ny fananan-tany ahy sy maha-lehiben’ny fanadihadiana ahy eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita”. Ny mampanahirana amin’ity raharaha ity, hoy izy, dia vahiny hatrany no ao ambadik’ireny fandroahana olona amin’ny toeram-ponenany ireny. Hampifandrindran-dalana amin’ity resaka fananan-tany ity koa ny resaka tsy fandriampahalemana miseho lany manerana ny Nosy, ary ny tena moa filohan’izany vaomieran’ny fiarovam-pirenena izany ka afaka tsara mijery ity sehatra ity. Aminay, hoy ny CST Alain Ramaroson, dia tsy misy afa-tsy ny fiaraha-miasan’ny andrimasom-pokonolona amin’ny rehetra no ahafahana misoroka ny mpanao ratsy mitarika ity tsy fandriampahalemana ity ka ato ho ato dia hatsangana ny any amin’ny Faritr’i Menabe sy Bongolava iny.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT