Politique

Alain Mahavimbina “Potika noho ny politika i Toamasina”


  • Alarobia 11 Janoary 2012

“Potika noho ny politika i Toamasina”. Izay no nambaran´i Mahavimbina Alain nitarika ny fihaonana tao amin´ny lapan´ny Faritra Atsinanana ny zoma tolakandro teo.

 Fihaonana mikasika ny hetsika ho fanadiovana ny tanànan´i Toamasina. Tsy nisy afa tsy ny 1/3-n´ireo orinasa lehibe nasaina no nanoina ny antsony na nihevitra hifehy ara-politika ny tanànan´i Toamasina aza ny fanjakana. Lasibatra noho io resaka politikan’ny FAT io ny Ben´ny tanàna voafidim-bahoaka tao Toamasina I, Rakotomanana Gervais, izay nanaovana antsojay sy nilazana izao anton-javatra rehetra izao ny taona 2009. Efa saika nogadraina mihitsy aza izy vokatr’izay politikan’ny FAT izay, ka nosoloina PDS. Ny praiminisitra teo aloha Jly Camille Vital mihitsy no tonga tao Toamasina ny volana jona 2009 nametraka ilay PDS heverina fa hifehy ny tanànan´i Toamasina.

Tsaroana tsara ihany koa fa tsy nisy ny taratasy milaza ny fanalana tamin´ny toerany ny Ben´ny tanàna lanim-bahoaka tamin´ny fotoana nilazana ny fialany ny taona 2009. Ny fahatongavan´ny praminisitra teo aloha nametraka ny PDS vao nitondra ny taratasy milaza izany izy ireo ary nomena ny Ben´ny tanàna tamin´izay, izay tsy noraisin´ity farany ary tsy nanaovany famindram-pitantanana hatramin´izao. Ankehitriny, tratr’izany ny PDS nihantona, dia mahay milaza ny fanjakana any amin´ny Faritra fa “tokony harahina ny lalàn´ny fitantanan-draharaham-panjakana”. Fantatra mantsy izao fa tsy afaka manao sonia taratasim-panjakana eo anivon´ny Kaominina intsony ny PDS nihantona ary ny Trésor no voalohany tsy nanaiky izany, izay nihamafy tamin´ny fandalovan´ny praiminisitra Beriziky Jean Omer tao Toamasina farany teo. Misavoritaka noho izany ny raharaha ankehitriny satria tsy misy ny vola afaka mivoaka eo anivon´ny Trésor ho an´ny Kaominina, ny tetibola hoenti-miasa amin´ity taona 2012 ity koa tsy mbola nandalo mpanolotsaina holaniana, ny mpanolotsaina monisipaly miandry ny fametrahana ny PDS vaovao vao hivory handinika ny tetibola. Midika izany fa voan’ny nataony ihany ny mpitondra, ny PDS vaovao koa saro-piterahana noho ny ady seza any ambony any. Vokany, ny vahoaka sy ny mpandoa hetra no mizaka ny vokany izao.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT