Tsy nazava ny politika napetraky ny fitondram-panjakana hitantanana ity aretina ity matoa misy fiverenana amin’ny fihibohana efa ho tanteraka indray, hoy ny mpanao politika, Alain Andriamiseza.
Porofo mitohoka amin’ny tenda sy tsy azo lavina izany ankehitriny. Tsy vitan’ny fitondrana irery ny fitantanana ity valan’aretina Coronavirus ity. Tsy hitondra na inona na inona io fihibohana manomboka amin’ny 12 ora tolakandro io, hoy izy, satria tsy zakan’ny olona intsony ny zava-misy ary arak’izao ahitanareo azy izao dia mandeha ihany ny olona manao ny fitadiavany isan’andro. Efa nandeha io fepetra io fa tsy nahavaha olana. Efa ela izahay no nilaza fa mila arotava miisa 25.000.000 ampitomboina 3, izany hoe, 90.000.000 any ho any isika. Io no tokony anaty kitapom-bolam-panjakana dia zaraina amin’ny Malagasy rehetra dia mba mahazo 3 avy. Io aloha no ady voalohany, hoy hatrany izy. Teo nisy vola 8 miliara ariary nolazaina fa namidy vatomamy sy maska ka aiza. Izany rehetra izany entina hilazana fa tsy voavahan’ny fitondrana ny olana fa tandrametaka no betsaka, hoy hatrany i Alain Andriamiseza. Tsy mino ny mpitondra intsony ny vahoaka satria tsy ny zavatra asain’ny vahoaka ataony no ataon’ny mpitondra fa izay tiany. Mety tsy taitra anio fa ho taitra rahampitso ny vahoaka fa tadidio, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.