Feno fito taona katroka omaly alatsinainy 21 martsa, ny nisian’ny hetsi-bahoaka goavana tao amin’ny Kianjan’ny Demoraksia Ambohijatovo. Andro sabotsy tamin’io, taona 2009.
Nampanao fianianana ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Nirina Rajoelina, teny Mahamasina ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’io. Nijoro, nitarika vahoaka nanohitra ny fakana fahefana tsy nanaraka ny lalàmpanorenana i Alain Andriamiseza Tao amin’ny Kianjan’ny Demoraksia Ambohijatovo no nifamotoanany tamin’ny vahoaka, izay ny mpiara-dia tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no tena nameno ny kianja tamin’io. Alain Andriamiseza no sahy nijoro sy nitarika ny tolon’ny mpomba ny ara-dalàna. Izy rahateo koa moa mpahay lalàna. Niainga tamin’ny tsipaipaika no nanofana « mégaphone » nampiasaina, vao niitatra tamin’ny fanamafisam-peo. Nitohy teny Ankorondrano ny tolona, ary dia voailika miandalana teny i Alain Andriamiseza. Fito taona aty aoriana, nitondra inona ho an’i Madagasikara tokoa ireny tranga rehetra ireny ? Ny zava-misy aloha dia samy tsy eo amin’ny fitondrana na Atoa Marc Ravalomanana na i Andry Rajoelina, mpifanandrina nivantana tamin’ny 2009. Samy vaky vava ihany koa ny rehetra ankehitriny fa mijaly ny Vahoaka, lasa takalon’aina ny fiainam-pirenena, ny vahiny no mifehy ny toekarena, tsy marin-toerana ny fitondrana. « Izao ve no mahamety ny Malagasy ? », hoy i Alain Andriamiseza mametra-panontaniana. Izy ihany no mamaly fa « tsy misy mpanao politika tena tia tanindrazana eto, fa mpiasam-bazaha no betsaka ». Raha izao zava-misy izao no mitohy, hoy ity minisitry ny jono tamin’ny tetezamita ity, dia hitarika amin’ny fifanatonan’ny mpifanandrina politika taloha. Hankaiza ny tongotr’i Alain Andriamiseza raha izay no mitranga ? Misokatra koa izao ny Kianjan’ny demokrasia. Nanamafy izany ny fanapahan’ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo. Mbola sahy hitarika, ka hiverina ao koa ve i Alain Andriamiseza ? Ny ampitso no hamaritra izany, hoy izy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.