Politique

Ala arovana ao Menabe Antimena Tany tsy misy fanjakana


  • Talata 17 Jona 2014

Manjakazaka koa ireo mpanao trafika maloto ao amin’ny faritra arovana Menabe Antimena.

 Maka sy mitatitra malalaka ireo hazo voamboana na “palissandre” ao amin’ity faritra ity izy ireo ary misy olona mitam-basy mihitsy manara-maso ny fampidirana izany anaty fiarabe sy ny fitaterana azy. Tsy afa-manao na inona na inona ny komity mpitantana ny faritra arovana Menabe Antimena. Manahy ny ONG fa misy mpitandro ny filaminana, mpitsara ary koa mpitrandraka miray tsikombakomba amin’ity raharaha ity. Tsy afa-manoatra koa ireo mpitondra any amin’ny faritra Menabe raha ny fahitana azy ka miandry ny fanjakana foibe. Nampanantena handrava ireo tambajotra ireo rahateo ny filoha fa tsy mbola misy mangirana aloha izany hatramin’izao. Ahiana ho potika tanteraka ny zavaboary amin’ny faritra arovana any Menabe Antimena izay misy ny ala maina mikitroka lehibe indrindra any amin’iny faritra iny sady manana babakoto karazany valo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT