Politique

Akorontan'i Deba ny daomy Izay no vita ny amin-dry Vaovao Benjamin


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Ao ny tsindrian-daona amin'ny fiverenan'ny amiraly Didier Ratsiraka an-tanindrazana, misy ireo tezitra fa eo ihany koa ireo faly sahirana.

 Tafiditra ao anatin'ity sokajy fahatelo ity ry Vaovao Benjamin mbamin-dry Robson Jean Victor sy ny tariny. Izy ireto dia nampiasa mivantana ny anaran'ny Arema, izay noforonin'Atoa Didier Ratsiraka mba hahafahan'izy ireo manasonia ny sori-dalana sy nahazo toerana tao anatin'ny tetezamita. Natao daholo izao tetika rehetra izao hahafahana mampiasa io anarana hoe Arema io, saingy na ahoana ahoana ataon'izy ireo dia mahalala ny olona tsy nivadika taminy sy tsy nanararaotra azy ny Deba ary azo antoka fa hangataka fanazavana hentitra amin'izy ireo, mialoha ny mety hanapahany hevitra. Mitovitovy amin'ny nitranga tao amin'ny Tiako I Madagasikara ihany moa no niseho tao amin'ny Arema, izany hoe nanararaotra ny tsy maha eto an-toerana ny filoha mpanorina ireo lohandohan'ny mpisorona tao amin'ny antoko ka nitarika ny mpikambana sasany hikopa-kelatra satria, hono, tsy miandry ny any an-tsesitany ny fiainan'ny antoko sy ny fakana seza ao anatin'ny tetezamita. Mahalala tsara ny zava-misy Atoa Didier Ratsiraka ary azo antoka fa efa manana tetika sy fomba fiasa vaovao mba hanavahana ny vary amin'ny tsiparifary, izany hoe hanavaka ireo tena mpitolona tsy nivadika hatramin'ny farany ary nahari-pery sy ireo nitolona sy niditra tao anatin'ny antoko satria ny hahazo seza no tena tanjony. Hanakorontana ny “daomy” ny fahatongavan’i Didier Ratsiraka ary ho maro ihany no ho hitan'ny havany eo. Azo antoka fa tsy ho vitsy ihany koa ireo mody hifona sy hisolelaka ka hilaza indray fa vonona ny hiaraka amin'i Deba, fa raiamandreny iombonana izy, na dia nandefona ivoho azy aza teo aloha mba hahazoana tombontsoa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT