Politique

Akon’ny siotsioka teny Mahamasina Misy hafatry ny vahoaka tao anatin’ireny, hoy ny CT maro


  • Zoma 19 Aogositra 2011

malagasy indrindra ny teto an-drenivohitra ilay siotsioka nahazo ny PM Camille Vital tamin’ny fotoam-panokafana ny Afrobasket Men ny tolakandron’ny alarobia teo, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

 Ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita maromaro tafaresaka tamin’ny mpanao gazety omaly dia samy nilaza avokoa fa nisy hafatra tian’ny nanao ireny hampitaina amin’ny mpitondra FAT tamin’ireny. Tsy dia marina loatra, hoy izy ireo, ny filazan’ny olona sasantsasany fa am-pahana olona avy eny amin’ny Magro avokoa ireny nanao iny fihetsika iny ireny fa ny ankamaroany dia ireo vahoaka betsimiteny fa miandry fotsiny fotoana ahazoany mampita ny marary ao am-pony.

Ny iray tamin’izy ireo izay efa fanta-daza amin’ny tsy fitsitsiana fitenena avoaka dia nahasahy mihitsy nanamarika fa raha nahatsiaro ho afa-baraka noho ireny nataon’ny vahoaka ireny ny fitondrana tetezamita ankehitriny, araka ny nambara tao amin’ny televizionim-pirenena, dia angaha tsy mahatsiaro menatra koa ny vahoaka amin’ireny fanomezan-dalana famoahana tsy an-drariny «bois de rose» ataon-dry zareo ireny ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT