Tsy anisan’ireo nandany an’ilay volavolan-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ireo CT avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Ireo mpikambana 51 ankoatra ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ireo nivoaka ny efitrano fivoriana ireo izay narahan’ny CT hafa avy amin’ny Monima/UAMAD sy vondrona parlemantera hafa satria nahatratra 62 ny fitambaran’ireo nivoaka ireo.
Ny hananana marimaritra iraisana amahana ny krizy no nidiranay anaty fitondrana fiaraha-mitantana fa tsy miziriziry ety ivelany, hoy ny filohan’ny vondrona politika TIM Ravelonanosy Mamy Tiana. Ekenay, hoy izy, fa raha olom-boafidy ara-dalàna no tety amin’itony toerana itony dia misy izay hoe ny maro an’isa no tena tompon’ny hevitra fa raha amin’izao ivoahantsika amin’ny krizy izao, izay olom-boatendry no eto, dia ny marimaritra iraisana no tadiavina. Fitanisana sy fanavakavahana teo amin’ny lalàna famaizana no fototry ny olana, hoy izy, mahatsapa izahay fa atao haingom-bato handaniana ny hevi-dry zareo fotsiny ka nanapa-kevitra ny hivoaka ny efitra.
SARY : CT Ravelonanosy Mamy Tiana (Sary : Rakotobe Michel)
Mazava ny nahatonga anay nivoaka ny trano, hoy ny CT Raharison Hilarion avy amin’ny ankolafy Ravalomanana avy any Matsiatra Ambony : izahay tsy nanao mihitsy hoe hofoanana ilay andininy faha-5 amin’ilay volavolan-dalàna famotsoran-keloka fa ny fitanisana ireo heloka ireo no tsy mety aminay fa raha nitanisa teo dia tokony ho notanisaina avokoa. Izahay tsy manana eritreritra mihitsy hoe, voakasik’io andininy faha-5 io fa izahay mieritreritra fa mety misy olon-kafa hokendrena amin’io ankoatra ny ankolafy Ravalomanana dia tsy maintsy voafaoka ao avokoa ka hisy fianakaviana voatohintohinaa amin’izany ary mety hiteraka korontana ary tsy hampisy fahatoniana eto Madagasikara. Ka ho anay dia hoe aza tanisaina io fa manaja fotsiny ny fenitra iraisam-pirenena isika satria efa manaraka ny tondrozotra, izay fotsiny no takiany dia tsotra fa izahay tsy manana eritreritra hoe ny anay no harovanay aminy fa tena ny vahoaka Malagasy iray manontolo mihitsy no harovanay aminy. Maro no manaraka ny hevitra ao amin’ny CT fa noho ny fiarovana ny seza sy noho ny tahotra ny lehibeny dia tsy afaka manaraka antsakany sy andavany ny heviny. 52 izahay no ato nefa nahatratra 62 no nivoaka teo.
SARY : CT Raharison Hilarion (Sary : Rakotobe Michel)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.