Nivoaka tamin’ny fahanginany ny antoko AKFM-Fanavaozana. Araka ny fanapahan’ny antoko mialoha ny fifidianana,
nahiana ho tandindonin-doza ny firenena raha tsy nitandrina ny tsirairay ka nety ho ony vaky noho iny fifidianana iny saingy vita soa aman-tsara ihany. Niasa mangina kosa ny antoko amin’ny fandaminana ambadika mba tsy hampiavaka ny firenena teo amin’ny sehatra maro samihafa. Niezaka hatrany ny AKFM amin’ny hitandrovana ny firenena tsy hivaky, ny firaisam-pirenena, hoy ny filoha vaovaon’ny antoko, Ny Hasina Andriamanjato, nandritra ny lahateniny. Famindram-pahefana ara-demokratika no niseho teto amintsika ary azo lazaina fa vita ho azy ny fampihavanam-pirenena raha madio fo ireo mpiantsehatra rehetra. Nirary soa ny filoham-pirenena vaovao sy ny praiminisitra ary ny governemanta tarihiny mba hanatanteraka ny vina sy ireo velirano nataony nyAKFM. Nomarihan’i Ny Hasina fa izay hevitra mampandroso dia hotohanan’izy ireo fa izay mampihemotra dia toheriny. Nanambara ny tenany fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny AKFM Fanavaozana. Notsindriany manokana fa 30 taona lasa izay dia nametraka ny AKFM tao anatin’ny sata mifehy ny antoko fa ny tanjony dia ny fanandratana an’i Madagasikara. 30 taona aty aoriana vao tsapan’ny mpitolona politika fa ilaina ny hisandratan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fandalana ny fahamarinana. Manantena ny antoko fa hanatanteraka ny fanandratana ny mpitondra. Nanatanteraka kongresy izy ireo tamin’ny sabotsy lasa teo ka nametraka fanapahan-kevitra amin’izay sori-dalana heveriny fa tokony hizoran’ny firenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.