Ofisialy nanomboka omaly alakamisy 16 jona fa tafavoaka ny lisitra maintsy « Annexe B » ny kaompaniam-piterana Air Madagascar, izany hoe efa afaka misidina ny habakabaka eoropeanina amin’izay manomboka izao ny fiaramanidina Malagasy fa tsy voatery hanofa fiaramanidina vahiny intsony ny Airmad.
Fanapahan-kevitra noraisin’ny vaomiera itambaran’ireo firenena ao anatin’ny Vondrona Eoropeanina izy ity taorian’ny fanadihadana teknika natao tamin’ny Air Madagascar momba ny fanajana ny fenitra iraisam-pirenena. Mbola hanohy ny fanaraha-maso amin’ny fanajana ny fepetra ara-teknika ihany moa ry zareo Eoropeanina, azo atao hoe : vaovao tsara ity fivoahana amin’ny « Annexe B » ity ary tokony ahitana tombony mivantana ho an’ny Air Madagascar. Tsara homarihana fa tamin’ny 2011 no nahitana tsy fahatomombonana ara-teknika miisa 800 ny Air Mad ka nahatonga azy tafiditra tao anain’ny lisitry maintin’ny Vondrona Eoropeanina. Nanaratsy endrika ity kaompania nasionaly ity izany ary nanomboka teo dia nitombo ny fahavoazana, nisesy ny fitokonana sy ny savorovoro. Mazava ny fampitam-baovao avy amin’ny Vondrona Eoropeanina fa nisy ny ezaka tsara vita, ary tokony mbola hiteraka tombontsoa bebe kokoa ho an’ny Air Madagascar izao fivoahana amin’ny lisitra mainty izao. Manoloana ny siosion-dresaka ny amin’ny handrapahana kaompania vahiny ny Air Madagascar moa dia efa nanindry mafy ny mpitondra fanjakana, lohalaharana amin’izany ny minisitry ny fitaterana Ramanantsoa Ramarcel Benjamina fa “tsy amidy izany ity kaompania ity” fa tsy maintsy karohana ny fomba rehetra hanarenana azy. Mavesabesatra ihany anefa ny fatiantoka, nahatratra 76 tapitrisa dolara izany tamin’ny fiandohan’ity taona ity koa andrasan’ny rehetra ny fanohizana ny drafi-panarenana fa tsy hoe sanatria tafita indray vao rendrika. Nambaran’ny filoham-pirenena moa omaly fa tsy maintsy tohizana ary mila hatsaraina hatrany ny ezaka fanarenana ao amin’ny Air Madagascar, mba hahazoana vokatra tsara hatrany ka hampiarin-doha azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.