Politique

Air Madagascar Ombay mitady ny DG


  • Talata 05 Aprily 2016

Mandeha tsy misy lohany ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar.

 

 Telo herinandro izao no niala teto an-toerana ny Tale jeneraly Gilles Filiatreault. Hamita iraka any Frantsa no nialany teto Madagasikara. Ny nanaitra anefa dia tapakila mandroso tamin’ny sidin’ny Air France no nandehanany. Araka ny loharanom-baovao dia tokony hiverina hiasa omaly izy nefa toa hoe nanalava ny fotoam-pialantsasatrany indray. Mbola ny loharanom-baovao hatrany koa anefa no manamarika fa efa tsy misy entan’ity teratany kanadianina nampisahanina ny fitantanana ny Air Madagascar ity intsony ao amin’ny La City Ivandry itoerany. Lasa dia tsy hiverina intsony ary ve izany ingahy Tale jeneraly Gilles Filiatreault sa nankaiza ? Eo am-piandrasana ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny iraky ny Vondrona Eoropeanina amin’ny hialan’ny Air Madagascar ao amin’ilay lisitra B, ka hahafahany misidina ny lanitr’i Eoropa indray ny kaompania nasionaly amin’ity volana aprily 2016 ity.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT