Tonga ve ny tsotsorimamba hisarahana ho an’ireo mpiasa sy ny kompania Air Madagascar sa ahoana ? Na teo aza ireo karazana teny fandaminan-tsaina nataon’ny minisitry ny fitaterana izay nampanantena fa tsy maintsy hiarina ity kompaniam-pitaterana ana habakabaka orinasam-pirenena ity dia ny mifanohitra amin’izany ny tranga misy
. Ankoatra ny fanomezana ny sehatra fiasana ho an’ireo kompania vahiny (open sky) mantsy izay midika fa tsy mahasehaka ny tsena intsony ny orinasa dia mandeha be ny resaka hatramin’ny afak’omaly fa ho tanterahana amin’izay ilay fandroahana mpiasa izay mety hahakasika hatrany amin’ny 30%-n’ny mpiasa satria tena efa fefika tanteraka ny orinasa. Raha ny vaovao voaray dia efa hivoaka tsy ho ela ny lisitry ny mpiasan’ny Air Madagascar horoahina. Misy milaza fa efa nahita ny lisitra mihintsy. Omaly hariva ihany koa dia re fa nampiantso ny delegen’ny mpiasa ny mpitantana ny orinasa mba hiresahana momba io fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisina io. Ny teo anivon’ny seraseran’ny Air Madagascar moa raha nangatahana fahazavana dia tsy nety namaly ny fanontaniana fa nanipy ny baolina tany amin’ny tale jeneraly lefitry ny Air Madagascar. Ity farany indray moa sady tsy nanda ny fisian’io vaovao io no tsy nanamafy ihany koa fa nianona fotsiny tamin’ny fanambarana hoe tsy afaka manome vaovao amin’ny alalan’ny finday. Atoa Rajaobelina Léon izay filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar moa raha natonina nandritra ny lanonana fifampiarahabana ny taona natao teny Iavoloha saingy tsy nety niresaka tamin’ny mpanao gazety mihitsy ny tenany. Raha ireo rehetra ireo no marina dia ahoana ny RRI ho an’ny minisiteran’ny fitaterana izay nambaran’ny praiminisitra fa nahitana fahombiazana ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.