Politique

Air Madagascar Difotry ny kaompania vahiny


  • Sabotsy 02 Aprily 2016

Nanambara omaly i Jacques Ulrich Andriantiana, minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetry ny andro nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety fa ho tratran’i Madagasikara ny fenitry ny mpizahatany 300 000 ho an’ity taona ity.

 

Manoloana izany fitomboan’ny mpizahatany ho tonga eto izany dia fantatra fa hampitombo ny isan’ny zotra hataony mankaty Madagasikara ny kaompaniam-pitaterana Air Mauritius, raha in’efatra isan-kerinandro teo aloha dia ho lasa in-dimy manomboka izao. Hitombo koa ny isan’ny zotra hataon’ny kaompania Turkish Airlines. Fantatra fa hanao ny ezaka manandrify azy ihany koa ny Air Link avy atsy Afrika atsimo. Ny Air Austral koa efa milaza ho avy eto. Ny nanaitra kely dia ny tsy nandrenesana fandaharan’asa matotra sy mazava entina hanarenana ny kaompania Air Madagascar izay reharehan’ny Malagasy. Manantena anefa fa mialoha ny fivorian’ny frankôfônia dia efa mba miala ao amin’ilay « Annexe B » ny Air Mad. Tsy mba re mihitsy ny ezaka natao hamelomana ny Air Madagascar manoloana izao fitomboan’ny mpizahatany izao kanefa dia ny minisitra miahy ny fizahantany ihany no miandraikitra ny Fitaterana. Nasiana resaka ny momba ireo kaompania malagasy saingy nionona fotsiny amin’ny fifamoivoizana anatiny fa tsy mba nomena ny anjara masoandrony amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Air Madagascar  na dia ho ivelan’ny lanitr’i Eoropa izay mbola manasazy azy fotsiny aza.

 

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT