Politique

«Ainga 30-50 Hilaminana» Mitaky ny 30%-n’ny toerana ho an’ny vehivavy


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Nampirimina aloha ny hevitra ara-politika fa atambatra kosa ny hery hampanjakana ny miralenta ao anatin’izao fananganana ireo rafitry ny tetezamita izao.

 Miray feo ankehitriny ireo andriambavilanitra mpanao politika isan-tsokajiny ahitana an-dry Dina Jeanne, Elia Ravelomanantsoa, Lalatiana Ravololomanana, Ramisandrazana ary koa Rtoa Ihanta Randriamandrato ka mitaky ny hanomezana hotantanin’ny vehivavy ny 30%-n’ireo andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Ampian’ireo andriambavilanitra namany avy eo amin’ny sehatry ny fiarahamonim-pirenena izy ireo amin’izany tanjona izany. Najoro ny sehatra antsoina hoe : «Ainga 30-50 Hilaminana» hitondrana ny tolona. Fampiharana ny fanapahan-kevitra tapaka nandritra ny atrikasa nokarakarain’ny “Protocole genre et développement” ao amin’ny SADC momba ny miralenta sy ny fandriampahalemana izay nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo izany no sady mbola voalazan’ny tondrozotra ihany koa ao amin’ny andininy faha-6 sy faha-7, araka ny fanazavana. «Voazava mazava ao anatin’io fifanarahana iraisam-pirenena io fa omena tantanin’ny andriambavilanitra ny 30 %-n’ny andraikitra ambony amin’ny taona 2012 raha 50% amin’ny taona 2015. Efa iray volana sisa dia higadona io fe-potoana io ka rariny izao dia efa ampiharina», hoy i Alfine Papisy avy ao amin’ny Gender Links. Ny tondrozotra rahateo koa dia mametraka ao amin’ny andininy faha-6 fa tokony hohajainy ny fiaviana ara-politika sy ny fifandanjana isam-paritra ary koa ny mahalahy na mahavavy amin’ny fananganana ny governemanta. Mahita anefa ny “Ainga 30-50 Hilaminana» fa voahosihosy sahady izany tondrozotra izany satria valo monja ny vehivavy nisy nanolotra ho minisitra, araka ny feo mandeha. Eo anatrehan’izany dia mitaky ny “Ainga 30-50 Hilaminana» fa tokony hotendrena ho minisitra avokoa izay andriambavilanitra nisy nanolotra amin’izany toerana izany farafaharatsiny. I Lalatiana Ravololomanana indray dia mihevitra fa vao naharay ny listra avy amin’ireo vondrona sy ankolafy isan-tsokajiny ny praiminisitra Beriziky dia tokony ho namerina izany amin’ ireo mpandefa azy ka nanome toromarika hanajana ilay miralenta. Hisy mpihaino ve izy ireo ? Rahampitso alakamisy ny valiny raha tsy misy fiovana. Amin’ny 17 novambra izao mantsy no tokony hitsangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena.

Yves

Sary : Ireo mpanamasina ny “Ainga 30-50 Hilaminana»

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT