Filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra sady Minisitry ny jono sy harena an-dranomasina no andraikitra sahanin’i Ahmad amin’izao......
Iaraha-malala fa tsy mitsaha-mikorosofahana ny baolina kitra Malagasy izay malaza kokoa amin’ny faharesena. Tsy vitan‘izay fa voatonontonona amin’ny resaka kolikoly avy amin’ny mpanankarena teratany
arabo koa ny tenany mba hahazoan’i Qatar mampiantrano ny mondial 2022. Tsy misy mbola asa mivaingana koa aloha hatreto momba ny fanatsarana ny sehatry ny jono Malagasy. Raha nanao fitsidihana tany Mahajanga izay toeram-piaviany koa ny tenany dia nisalotra ny
andraikitry ny Minisitera misahana ny fanajariana ny tany. Niseho sarotiny tokoa izy amin’ireo fanorenana tsy ara-dalàna. Tsy dia mahagaga loatra ilay fihetsiny amin’ny maha tompon-tany azy saingy miendrika fisalovanana ny andraikitry ny hafa ihany ny fahitana azy.
Mila fanafody tsy mbola ahitam-panafana hatramin’izao ny baolina kitra sy ny sehatry ny jono nefa aleon’ingahy Ahmad misisika amin’ny andraikitry ny hafa ...indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.