Politique

Ahmad Sady minisitry ny jono no filohan’ny FMF


  • Talata 22 Aprily 2014

Lasa resabe nandritra ny faran’ny herinandro teo ny mikasika ireo mpitantana telo ao amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) izay voatendry ho minisitra misantatra ny governemantan’ny Repoblika fah-4.

 Anisan’izany i Ahmad, filohan’ny federasiona izay voatendry ho minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina, Rakotomamonjy André Neypatraiky izay minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknolojy vaovao ary Reboza Mahaforona Cyrille, minisitry ny serasera sy ny fifandraisana ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana. Raha nanontaniana i Ahmad mikasika ny hijanonan’izy ireo ho mpikambana hatrany ao amin’ny FMF dia nomarihiny fa “tsy misy lalànan’ny FIFA mandrara amin’izany. Ny Sekretera jeneraly ihany no tsy afaka manao andraikitra hafa satria mikarama amin’ny FIFA”.

Nohamafisiny fa mora manadino ny olona fa maro ireo mpitantana tany aloha nitana andraikitra maro toy izany. Tsiahivina fa vao ny tapaky ny volana martsa teo izy ireo no voafidy hitantanana ny federasiona mandritra ny efa-taona. Hitondra inona ho an’ny baolina kitra ny sady maha minisitra azy ireo, hanao ahoana ny ho fifandraisan’izy ireo amin’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena tompon-toerana Andriamosarisoa Jean Anicet ? Ny ampitso no hamaly izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT