Politique

Ahiana hafana anio Lavin’ny zandary ny baikon’ny praiminisitra


  • Talata 17 Janoary 2012


 Na dia mazava be aza ao anatin’ny lalàmpanorenana fa ny praiminisitra no tompon’andraikitra voalohany amin’ny filaminana sy ny fiandrianam-pirenena dia mbola nilaza ny avy ao amin’ny zandarin’Ankadilalana fa tsy izy velively no tompon’andraikitra amin’ny fandraisana fepetra mba ho filaminan’ny tanànan’Antananarivo fa ny prefen’ny polisy. Io farany anefa, raha tsiahivina, dia tsy namela ny hanao fihetsiketsehana ao amin’ny kianjan’Ambohijatovo, kianjan’ny demokrasia teo aloha kanefa rehefa azon’ny sasany ny fanjakana dia navadiny ho toeram-pitsangantsanganana tsotra indray ilay toerana. Iza no mandika lalàna amin’ny tranga toa izao ? Tsy sanatria ve fanambaniana ny tompon’andraikitra ao Mahazoarivo ny tranga toy izao ? Farafaharatsiny mba hoe misy fifampidinihina teo amin’ny roa tonta vao hampitaina ny fanapahan-kevitry ny andaniny na ny ankilany fa tsy tonga dia miendrika fandavana tsotr’izao fotsiny. Dia rahoviana ihany izany vao hivaha ny krizy raha samy hanao izay mifanandrify amin’ny sainy ny tsirairay ? Mipetraka ny fanontaniana.
S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT