Politique

Ahiahy momba ny masoivoho Frantsay Nanazava ny lehiben’ny Antenimieram-pirenena


  • Alakamisy 22 Martsa 2018

Nampiahiahy ny fisian’ny fiaran’ny masoivoho frantsay Véronique Vouland teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny talata tolakandro teo nisian’ny raharaha mafana teny an-toerana momba ny resaka lalàm-pifidianana.

 

 Nitondra fanazavana kosa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy omaly tamin’ny resaka nifanaovana taminy, momba ny ahiahy sy ny tombatombana isan-karazany. Fifanandrian-javatra ihany fa tsy nisy ifandraisany tamin’ny toe-draharaha nafampana teny Tsimbazaza izany, hoy izy. Nihaona taminy tao an-toerana ny solombavambahoaka frantsay Amélia Lakrafi misahana ny Outre-Mer, dia i Moyen Orient, Afrika Atsimo-Atsinanana,… izay efa tamin’ny herinandro ambony no nagataka io fihaonana io. Misy ny fanorenana « groupe d’amitié » na vondrom-pirahalahiana eo amin’ny parlemantera Malagasy sy Frantsay, ka io vehivavy io no filoha lefitry ny vondrona, ka amin’ny maha olom-boafidy frantsay azy no nahatongavany teny. Ny fomba fiaraha-miasa azo atao, toy ny fanofanana ny mpiasan’ny Antenimiera, ny fifanakalozana eo amin’ny samy solombavambahoaka. Ny faritra Malagasy sy Frantsay, izay mitovitovy eo amin’ny resaka fambolena sy fiompiana, ohatra, dia ampifandraisina. Tohin’ny fihaonana tamin’ny birao iraisan’ny parlemanteran’ny frankofonia tany Paris ihany koa izany, hoy hatrany ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Malagasy Jean Max Rakotomamonjy. Resaka fiaraha-miasa izany no tena anton-dia fa tsy misy hidiran’ny politika avo lenta. Ilaina ihany ny fampitam-baovao ofisialy mba tsy hisian’ny ahiahy sy resabe satria mafana ny toe-draharaha politika.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT