Politique

Afomanga tamin’ny 11 desambra Niteraka resabe tany Alaotra


  • Alakamisy 15 Desambra 2011

Toy ireo Faritra maro teto Madagasikara dia anisan’ny nankalaza ny tsingerintaona voalohany nahaterahan’ny Repoblika fahefatra ny tany amin’ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro.

 Nisongadina tamin’izany ny fanapoahana afomanga ny takarivan’ny 11 desambra io. Vitsy tamin’ireo vahoaka tao Ambatondrazaka anefa no nahalala fa ny tsingerintaona nahaterahan’ny Repoblika fahefatra no antony nanapoahana afomanga tamin’io andro io. Tao ny nanambara fa noho ny fahatanterahan’ny fampiharana ny tondrozotra dia misy ny fety ataon’ny mpitondra fanjakana, ny sasany indray nilaza fa fisantarana ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana no antony nisian’ilay fanapoahana afomanga. Niteraka adihevitra teo amin’ireo sokajin’olona samihafa tany Alaotra, araka izany, iny fankalazana ny faha herintaona naterahan’ny Repoblika fahefatra iny.

Mbola ato anatin’ny tetezamita isika koa nahoana no hoe herintaona ny Repoblika fahefatra, hoy ny olon-tsotra sendra anay. Raha nanao fanambarana ny lehiben’ny Faritra Ramandehamanana Richard ny takarivan’ny alahady teo dia betsaka no gaga sy talanjona satria samy mihevitra ny rehetra fa tsy mbola mipetraka izany Repoblika fahefatra izany. “Sa kosa efa miomana amin’ny fidirana amin’ny Repoblika fahadimy isika io ?”, hoy ny fanontanian’ny sasany. Nandritra ny 50 minitra nisian’ny afomanga tao amin’ny kianja Rasolonjatovo Ambatondrazaka dia betsaka ny tsaho sy resaka nandeha mahakasika ny antony nisian’ilay afomanga. Ny ampitso moa dia nitondra fanazavana manokana mahakasika azy iny tamin’ireo haino aman-jery misy any Ambatondrazaka ny lehiben’ny Faritra.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT