Ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de dieu sy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena Joachim Rajaobelison no mitarika ny famotorana sy fanadihadiana momba ireo bolabolana boaderozy 341 nentin’ny sambo Lumina ka tratra tany amin’ny manakaiky ny Cap Masoala.
Fantatra izao fa nisy ny vondrona manokana na “unite speciale” teo ambany fitarihan’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ka nahitana mpitandro ny filaminana sy mpanao gazety nitsongo dia sy nanaraka ilay sambo Lumina. Taorian’ny fahazoam-baovao momba ny fikasana hanondrana hazo sarobidy amin’iny tapany avaratra atsinanan’ny nosy iny ny faran’ny volana janoary no nananganana ity vondrona manokana ity ary natao ho tsiambaratelo tanteraka izany ka olona vitsy dia vitsy no nahafantatra ny fisiany. Nisy ny fivoriana notanterahana teny Mahazoarivo ny 4 febroary notarihan’ny praiminisitra sy ireo olom-bitsy voafidy manokana, nomena ny toromarika ary dia lasa tany Toamasina ny ekipa ny 5 febroary. Nifampiraharaha tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny ekipa koa dia nahazo sambo kely iray hikarohana sy hanenjehana ilay sambo Lumina voatondro fa nitondra boaderozy ny 6 febroary.
Ho tratra amin’izay ny atidoha ?
Efa teny afovoan-dranomasina no tratra ilay sambo Lumina. Niaiky ny komandan’ny sambo fa boaderozy no nentiny. Misy Madama manome toromarika anay, hoy ilay komandan’ny sambo Lumina nilaza hoe : “tohizo foana ny lalanareo fa aza mijanona na misy miantso sy manenjika aza fa izaho no manamboatra an’ireo avy eo…”.Tratra niaraka tamin’ireo tantsambon’ny Lumina moa ny lehilahy iray, olon-tsotra voalaza fa mpandrindra ny trafika ary mandray baiko avy amin’ilay Madama. Nampanantenaina 4 tapitrisa ariary isan’olona ireto tantsambo ireto ary 800 000 Ariary ny “avance” efa nomena. Olona heverina fa manana ny maha izy ary eto amin’ny firenena ity Ramatoa manome toromarika, izany hoe mety ho tompon’ny entana satria hita ho tena mahatoky tena be izy. Mandeha ny fanadihadiana, ary tena manamboninahitra ambony jeneraly kintana 3 no miandraikitra azy koa inoana fa hisy ny anarana mivoaka ary hisy ny trondro be hosamborina sy hotsaraina amin’izay fa tsy hoe ny irakiraka sy mpibata entana foana no migadra noho ny aferana boaderozy. Tena miandry ny ho tohin’ity raharaha ity ny rehetra, ary ho hita eo amin’izay raha tena sahy ny filoha Rajaonarimampianina na tsia. Efa manomboka mivoaka mantsy ny feo fa misy olona manodidina azy voakasika amin’izao afera maizina izao. Misy koa ny manampahefana ambony ao anaty governemanta manao tatitra diso omena ny filoham-pirenena, ary mety tena miaro mihitsy aza ny mpanao aferana boaderozy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.