Politique

Afera vato sarobidy “Tsy mety ny ataon’ny fitondrana”, hoy ny Me OLALA


  • Alakamisy 03 Jolay 2014

Nampiaka-peo noho ilay resaka fanagiazana vato novidiana teratany Sinoa tao Tsivory i Me Willy Razafinjatovo na i Olŕlŕ araka ny fahafantaran’ny maro azy hatramin’ny taona 1972. ......

Araka ny fanazavana nomeny ny mpanao gazety teny amin’ny trano fonenany teny Ankaditapaka omaly, dia ara-dalàna ireo vato izay nogiazana tany Tsivory ireo rehefa nohamarinina teny amin’ny minisitera ny antontan-taratasy rehetra saingy tafiditry ny mpanao afera sy ireo mpisoloky gaigilahy ka nogiazan’izy ireo ny vaton’olona. Manana taratasy fahazoan-dalana ara-dalàna ny hitrandraka sy hividy vato manerana an’i Madagasikara ireo teratany Sinoa voalaza ireo,hoy izy, araka ity taratasy asehoko anareo mpanao gazety ity.  Rehefa nidina tany Taolagnaro izahay sy ireto Sinoa ireto, hoy i Me Ôlàlà, dia noteren’ny tale jeneralin’ny harena ankibon’ny tany any an-toerana hifampiraharaha tamin’ireo olona nitazona an-keriny an’ireo vato. Fampidirana fitoriana sy fangatahana ny hamerenana aminay ny vato nogiazana no nataonay, hoy izy, ary tonga hatrany amin’ny fitsarana ambony tao Toliara ary dia nahazo rariny ary dia voaverina ny faha-27 jona teo izany saingy gony 254 sisa no azo raha nahatratra  263 ireo nogiazana. Teny an-dalana anefa dia mbola voasava indray ireto vato ireto ka nogiazan’ny tompon’andraikitra fanindroany indray. Nambaran’ireo tompon’andraikitra nanontaniana, hoy i Me Razafinjatovo, fa baiko avy any amin’ny
fiadidiana ny repoblika sy ny minisitera ary Jeneraly iray ao amin’ny tafika no nahatonga io fanagiazana fanindroany io.
Teo no nahatapa-kevitra an’ ity mpisolovava ity hamboraka ny tsy mety ataon’ny fitondrana. Amiko, hoy izy, dia mpitari-bato vilam-bava fotsiny
ihany ny mpitondra ka mampanontany tena ny rehetra amin’ny hoe : mbola misy fahefana ambony afaka manakana fanatanterahana didim-pitsarana ambony ve eto amintsika ? Raha manan-kambo isika Malagasy, hoy izy,  dia asehoy ilay tany tan-dalàna ventesina ombieny ombieny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT