Politique

Afera maloton’ny 2009-2014 Hodiana fanina fotsiny ve ?


  • Alakamisy 21 Martsa 2019

Aferana boaderozy, trafikana harem-pirenena, aferana tanim-panjakana,… dia isan’ny tena nanamarika ny fanjakana tetezamita.

 

 

 

 Raha atao ny ampamoaka maro samihafa dia ny 2009-2014 no tena maro ny afera maloto nandeha, eny fa hatramin’ny fanondranana olona nankany Koweit sy Liban aza angamba. Lava dia lava ny lisitra navoakan’ny Praiminisitra Jean Omer Beriziky momba ny aferana boaderozy, izay misy Malagasy voatonona fa tao ihany koa ny Karana sy ny Sinoa. Ny fifanarahana avo lenta momba ny fitrandrahana harem-pirenena, dia tamin’ny taona 2012 no nomena alalana hitrandraka harena ankibon’ny tany eto amintsika ny orinasa Toliara Sands, mpitrandraka fasimainty, izay nanao fitsirihana nanomboka teo, izany hoe : mety efa nisy resa-bola be tao. Tamin’ny andron’ny tetezamita ihany koa no nitrandrahana vy tao Soalala tamin’ny alalan’ny orinasa Wisco, izay 200 tapitrisa euros no sandany, raha ny fanehoan-kevitra efa nataon’Atoa Serge Zafimahova, fa ny 100 tapitrisa Euros ihany no noresahina,… Tsy voafidim-bahoaka i Andry Rajoelina tamin’izany fotoana izany saingy ireny ny fikitikitihina fananam-pirenena vitany, mainka fa amin’izao ambara fa filoha ara-dalàna izao. Taorian’ny fanonganam-panjakana 2009 no tena nahabetsaka ny tsy an’asa, ka nahatonga ny fitadiavana asa tany amin’ny tany Arabo, fa ny fanjakana avy eo no mamendrofendro ho mitsinjo ireo mpiasa lasibatra. Ny volana Martsa 2011, dia nisy 85 nampodiana avy any Liban, ankoatra ireo maty sy nitondra takaitra. Izao indra dia hisy 58 hampodiana satria nampijalian’ny mpampiasa, ka milaza handefa olona any sy hampody azy ny filoha. Ny resaka aferana tanim-panjakana, dia io iaraha-mahita io, fa olon’ny MAPAR izay notendrena tamin’ny tetezamia ny Tale Jeneralin’ny fananan-tany nidoboka am-ponja vonjimaika. Mety endrika ivelany tahaka ny raharaha Eddy Maminirina izay nanohana an-dRajoelina ihany koa ireny, fa ny olobe tsy ho voakitika. Maninona no tsy kitihina sy tsy anaovana fanadihadiana ilay jeneraly voatonontonona sy ny mety ho voarohirohy hafa raha tena hampihantra ny tany tan-dalàna tokoa? Tany Ankazomborona Marovoay, ohatra, dia nisy ny fanomezana tany izay tsy hay na hofaina na namidy ankolaka tamin’ny orinasa antsoina hoe Ruchu Agri mirefy 17ha mahery tamin’ny andron’ny tetezamita, ka teratany vahiny antsoina hoe Jain Vijay Kumar no nisolo tena io orinasa io,... Ampahany amin’ny afera mampiahiahy ireny, izay mbola vary mangatsiakan’ny Bianco aorian’ny fialan’ny fanjakana Rajoelina amin’ny fanjakana angamba vao mety hisokatra ny fanadihadiana sy fanenjehana…

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT