Politique

Afera «bois de rose» Vaky ny ady


  • Talata 17 Aprily 2012

Niala tamin’ny fahanginany ary namboraka tsiambaratelo ny Dr Randriamiandrisoa Joseph taorian’ny nanilihan’i Andry Rajoelina azy tsy ho minisitry ny tontolo iainana sy ny ala tao anatin’ny governemanta Beriziky ny alin’ny zoma 13 aprily 2012 teo.

 Manembantsembana ny tombontsoan’Ambohitsorohitra no antony, araka ny filazany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny birao niasany izy omaly. «Efa nampoiziko io raha vao nikitika ireo dosie roa mafana ny tenako saingy tsy hihemotra aho satria hitondra fanovana marina no antony nitolomako hatramin’ny taona 1972 ary nanekeko ny antson’ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer hiditra ao anatin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena», hoy ny Dr Randriamiandrisoa Joseph. “Madio aho raha nandray ity ministera ity ary madio koa mivoaka ato”, araka ny fanambarany ihany. Nokianiny koa ny fomba tsy mendrika nanalana azy. “Tena zavatra kitoatoa mihitsy ! Tsy fanao izany mandray didim-panjakana amin’ny misasaka alina izany ary mbola tsy nampilazana akory ny tenako”. Tsy voalaza ao anatin’ilay didim-panjakana moa ny antony fisaorana ity minisitra ity saingy raha ny resaka mandeha dia noho ilay didim-pitondrana mitondra ny laharana 741 navoaka tamin’ny volana febroary 2012 ary nofoanana tamin’ny martsa 2012.

Misy loharanom-baovao hafa koa milaza fa ireo mpamatsy vola mihitsy no mahita ny tsy fahaizany mitantana ity sehatra ity ka nangataka ny fanesorana azy. Ho an-dRandriamiandrisoa Joseph anefa dia tsy io didim-pitondrana io mihitsy no nanome laka ny fanapahana “bois de rose” fa ny didy hitsivolana laharana 211 izay manome alalana ny mpandraharaha hanana tahiry. Nanararaotra ny fotoana nihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly koa ny tenany nanaovana ampamoaka momba ny raharaha “bois de rose” sy Fanalamanga. Ireto dosie ireto izay mifandray mivantana amin’ny fanilihana azy.

Tombontsoan’olona ao Ambohitsorohitra no voatohintohina ao Fanalamanga, hoy ny Dr Randriamiandrisoa Joseph ary ananana porofo izany. Mbola tandapa ihany koa dia Ravatomanga Mamy sy izany i Sam Sam Miock izany, raha ny fanazavany ihany, no ao ambadik’ireo Sinoa sarona niaraka tamin’ilay sambo tao Antalaha ny herinandro lasa teo. Araka ny tatitry ny iraka nalefan’ny ministera tany an-toerana dia saika haka bolabola miisa 3000 tao Antalaha ilay sambo nentin’ireto Sinoa ireto ary nakany Mananara Avaratra indray haka bolabola hafa rehefa tsy mbola nahafeno azy ny tao Antalaha .“Ity afera farany ity no tena tsy maintsy nanilihana ahy haingana”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha. Miantso ny Parlemantera sy ny Bianco hanao fanadihadiana lalina momba ireo moa ny Dr Randriamiandrisoa Joseph ary vonona hifanampy amin’izany ny tenany amin’ny alalan’ny antontan-kevitra eo am-pelatanany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT